- Publicité -
mardi, septembre 16, 2025
AccueilFaits-Divers67 ha : Voasambotra koa ny mpanao tsipy kanetibe

67 ha : Voasambotra koa ny mpanao tsipy kanetibe

Taorian’ny mpampiady akoho, ny mpanao baolina kitra eny an-tsisin-dàlana ary ny mpirevy anaty bar, nosamborina koa ireo mpilalao kanetibe tetsy 67ha avaratra sy Antohomadinika. Tsy fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana izay napetraka ny anton’izany. Noentina teny anivon’ny kaomisaria izy ireo ary nanokafana fanadihadiana. « Mitohy ny fidinan’ny polisy any anaty tanàna ary tsikaritra fa misy hatrany ireo olom-pirenena izay tratra mitangorongorona manamora ny fiparitahan’ilay valanaretina noho ny tsy fanarahana ny fepetra », raha araka ny fampitam-baovaon’io vondron’ny mpitandro filaminana io. Miisa 11 ireo mpilalao kanetibe izay nosamborina rehefa tonga tampoka teny an-toerana ireo polisy. Hatreto izany dia mbola misy ny tsy taitra amin’ny tarehimarika izay mitombo isan’andro. Misy koa ireo mandray ny fihibohana ho toa ny vanim-potoana fialan-tsasatra. Mirevy, mandehandeha, manao baolina, manao tsipy kanetibe ary koa noho ny antony hafa izay mifanohitra amin’ny fihibohana. Ireo hatrany ny endrika izay miverimberina tsikaritra tato ho ato.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici