- Publicité -
dimanche, novembre 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67 HA : Zazavavy kely 4 taona voafokan’ny fiara, maty tsy tra-drano

67 HA : Zazavavy kely 4 taona voafokan’ny fiara, maty tsy tra-drano

Omaly hariva tokony ho tamin’ny 3 ora sy 15 mn teo, no nitrangan’ity loza mampalahelo ity, teny amin’iny faritra 67 ha iny. Zazavavy kely sahabo ho 4 taona eo no maty voafaokan’ny fiara. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia voahitsaka mafy teo amin’ny lohany ity zazavavy kely ity ka izay no tena tsy naha avotra intsony ny ainy.  Nijininika ny rà nameno ny araben’ny 67 ha, ary vetivety dia nitangorona  avokoa ny olona rehetra izay nahita  . Araka ny vaovao voaray, dia tsy nisy lehibe niaraka taminy ity zazakely  ity , ny fiara rahateo koa nandeha mafy loatra ka teo no niteraka ny loza. Mbola nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly HJRA kosa ity zazavavy kely ity vantany vao voadona , mba hotsaboina haingana. Saingy tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga teny amin’ny hopitaly noho ny fahaverezan’ny rà  betsaka loatra. Fantatra fa mbola tsy nahitana fianakaviana tonga teny amin’ny hopitaly nijery ity zazavavy kely ity fa ireo Malala-tànana  teny an-toerana kosa no nikarakara ny razana. Ilay nandona kosa no nandoa ny vola izay nilaina rehetra teny amin’ny hopitaly ary mbola atao famotorana ihany koa ity farany amin’izao .

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici