Ambohimahasoa : Niverina ny famatsiana herinaratra
Faly ny vahoakan’ Ambohimahasoa fa niverina nanomboka omaly ny famatsiana herinaratra ao amin’ity distrika iray miala 56 km an’i Fianarantsoa, manamorona ny lalam-pirenena fahafito iny, raha hiakatra ho aty Andrenivohitra. Tapaka nihanto nandritra ny herinandro nanomboka ny alatsinainy 30 novambra teo ny jiro vokatry ny fianjeran’ny hazobe tamin’ny tariby mitondra herinanatra avy any Fianarantsoa mamatsy an’ity distrika ity. Niaina tao anatin’ny haizina ny mponina vokatr’izany, ary nikatso avokoa ny asa fihariana rehetra mila herinaratra, hoy ny vaovao.
Midongy Atsimo : 700 Ar kapoaky ny vary
Misondro-bidy avokoa ny ankamaroan’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, amin’izao fotoam-pahavaratra izao, noho ny haratsin’ny lalana. Any Midongy Atsimo, distrika mbola anjakan’ny asan-dahalo, dia niakatra ho 700 ariary ny kapoaky ny vary fotsy, raha 400 ariary izany andro vitsy lasa. Raha ny vaovao voaray avy tany an-toerana, dia misy amin’ireo mpivarotra sy mpanangom-bokatra no manafina entana ka mampidangana tampoka izany, nanomboka ny ny faran’ny herinandro lasa teo.
Sambava : Vehivavy 55 taona niteraka zazavavikely, ny alakamisy hariva teo
Tranga tsy dia fahita matetika ity niseho tao Sambava ity, ny faramparan’ny herinandro iny. Ramatoa iray 55 taona niteraka zazavaviskely, antsoina hoe : Jaotiana Faliziano, ny harivan’ny alakamisy 3 desambra teo, tamin’ny efatra ora. Raha ny fanampim-baovao, dia tsy nieritreritra ny hiteraka intsony ity ramatoa ity satria ny taona 1977 no niteraka ny zanany farany izy. Nihevitra ity renim-pianakaviana ity fa noho ny aretin-kibo mateti-pitranga sy mahazo azy noheveriny nampibosina ny kibony. Namonjy mpitsabo tao amin’ny hopitaly Loterana tao Sambava antampon-tanàna ity ramatoa lehibe monina any Ambarimiambana ity, ary teo vao gaga ny tenany nolazain’ny mpitsabo fa mitondra vohoka ary hiteraka tsy hoela taorian’ny fizahana “échographie” tsy maintsy natao taminy. Zanany Rtoa Filizette fahatelo ity zaza vao naterany ity, ary salama tsara ny zaza sy ny reniny, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa