- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67H : Fatin-dehilahy niboridana hita tao anaty fako.

67H : Fatin-dehilahy niboridana hita tao anaty fako.

Lehilahy iray 36 taona,mponina teny Andotapenaka Ampasika, no hita faty tao anaty fako teny ampitan’ny paositra 67H, tokony ho tamin’ny 6 ora maraina omaly. Tsy fantatra hatreto ny antony tena nahafaty an’ity lehilahy ity, fa efa ny tapany ambany niboridana sisa no hitan’ireo mpiasan’ny commune sy SAMVA izay saika hiasa maraina. Nampandre haingana ny lehibean’ny fokontany izay niantso avy hatrany ny BMH  ireto farany. Tsy ela taorian’izay dia tonga teny an-toerana ny BMH naka ilay razana ho any amin’ny morgue HJRA. Araka ny voalazan’ny fianakaviany izay tena akaiky azy moa, dia mpikarama tsena na”docker” no asan’ity lehilahy maty ity ary niala maraina tao an-trano izy tamin’io andro io. Nolazain’ireo ihany koa fa tsy dia salama loatra ity lehilahy ity noho izy matetika misotro toaka vao ny omalin’io andro nahafatesany io. Tsy fantatra mazava hatreto ny tena marina. Efa niatomboka ny fanadihadiana.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici