- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : 4x4 iray nandona fiara dimy, olona iray namoy ny ainy

67ha : 4×4 iray nandona fiara dimy, olona iray namoy ny ainy

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritra 67ha iny omaly folakandro. Fiara tsy mataho-dalàna iray marika «Mitsubishi Spotero » no nifaoka fiara dimy sy mpitaingina bisikleta teny an-tsisin-dalana. Vokany maty tsy tra-drano vokatry ny dona nahazo azy ilay rangahy nitaingina ny bisikleta, maromaro ihany koa ireo naratra. Samy nahitana fahapotehana avokoa tetsy an-danin’izay ireo fiara voafaoka. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia somary hafahafa ny fandehan’ity fiara tsy mataho-dalàna, ka nahamailo ireo nahita avy hatrany. Somary nandeha mafimafy ihany koa ilay fiara tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany tolakandro teo no nitranga ny efa nampoizin’ny maro. Nifatratra avy hatrany teny amin’ireo fiara nijanona teo an-tsisin-dalana sy teo anoloany ity 4×4 ity, avy eo nifaoka ilay bisikleta teo an-kilany. Nipitika mihitsy vokatry ny hamafin’ny fandonana nahazo azy ilay rangahy, tsy nanam-po na inona na inona, ary avy niakarapoka tamin’ny tany. Voa teo amin’ny lohany ity rangahy ity, ary izay no nitarika ny fahafatesany. Maromaro tamin’ireo olona tao anatin’ireo fiara ihany koa no naratra.  Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany dia tsy voafehin’ilay mpamily mihitsy ity fiara matanjaka ity tamin’io ora sy fotoana io. Tetsy an-daniny rahateo, dia toa hoe nahenon’ireo olona teny an-toerana fofon-toaka ilay mpamily. Raha ny nilaza indray ny sasany fa hoe mbola variana niresaka an-tariby izy, ka tsy voafehiny intsony ny familiana. Vetivety dia rakotra olona teo amin’ilay toerana nitrangan’ny loza. Efa nanomboka niakatra ihany ny feo. Soa ihany fa tonga avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, nandamina ireo olona vory marobe. Hatreto mantsy dia mbola tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ity loza ity. Ny hany fantatra dia efa eny am-pelantananan’ny mpitandro filaminana ny raharaha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici