Lehilahy roa, izay nahiahiana ho saika nikotrika fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritra 67ha iny no voasambotry ny pôlisim-pirenena, ny voalohan’ny herinandro teo. Niampy iray indray izany, rehefa nandeha ny fanadihadiana, ka samy natolotra ny Fampanoavana ny faran’ny herinandro lasa teo izy ireo.
Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena, dia niainga tamina loharanom-baovao iray izy ireo; izay nilaza fa misy olona mikononkonona fanafihana eny amin’iny faritra 67ha iny. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo, tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho any. Indreo tokoa, fa nisy roa lahy nampiahiahy sy hafahafa fihetsika nihaodihaody teny amin’ilay toerana voalaza, izay nanatonana nosavaina avy hatrany. Tamin’izany no nahitana fitaovam-piadiana isan-karazany tany amin’izy ireo, hoy ny fanazavana azo : basy sy antsy lava. Nofatorana rojovy avy hatrany moa izy ireo ary nentina nofotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava sakelika fahefatra, etsy Anosy. Nanditra ny fakana am-bavany azy ireo no nilazany, fa misy namany iray mpiray tendro aminy, saika hanatanteraka io fanafihana io, teny an-toerana. Nosamborina avy hatrany ity farany, rehefa fantatra ny momba azy ka nohadihadiana ihany koa tany amin’ny pôlisy. « Fikambanan-jiolahy sy fikasana hanao halatra mitam-piadiana ary fitondrana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna no vesatra niampangana azy ireo » hoy hatrany ny vaovao. Taorian’ny famotorana azy ireo dia natolotra avy hatrany teny anivon’ny Fampanoavana ny raharaha. Ireo mpitsara mpanao famotorana kosa, dia nanapa-kevitra ny handefa ireo roa lahy voalohany avy hatrany any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, mandra-piandry ny fitsarana azy ireo. Ilay voatondro ho naman’izy ireo kosa dia nomena fahafahana vonjimaika aloha, hoy ny loharanom-baovao.
m.L