Raikitra indray ny sakoroka omaly teny 67ha. Andian’olona maromaro no nikasa hanafika ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito teny an-toerana. Antony : fitakiana olona voasambotra noho ny resaka tsindron’antsy, hatao fitsaram-bahoaka. Tsy nilefitra velively tamin’izany fitakiana izany moa ireo pôlisy tao an-toerana izay niantso haingana fanampiana avy tany amin’ny kaomisaria foibe, ka raikitra ny fifandonana. Olona telo nosamborina, ary nalefa avy hatrany teny Tsaralalàna. Araka ny fanazavana azo, teny Andohatampenaka voalohany teny no niantomboka ny raharaha, rehefa nahazo antso ireo pôlisin’ny boriborintany fahafito fa misy olona mifamaly. Niafara tamin’ny fikasihan-tanana izany fifamaliana izany ary tonga mihitsy tamin’ny tsindron’antsy. Olona iray no naratra mafy, ary nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nosamborina kosa ary nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy ilay nahavanon-doza, nanaovana fanadihadiana. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany teo ho eo anefa no nisy andian’olona maromaro tonga tao amin’ny kaomisaria. Nitaky avy hatrany ity olona nosamborina ity tamin’ireo mpitandro filaminana. Velona teo ny horakoraka ny amin’ny hoe tsy maintsy faizin’izy ireo io olona io ary ataon’izy ireo amin’ny fanaovana azy, izany hoe kasaina atao fitsaram-bahoaka. Nisy ny tora-bato madinidinika raha ny voalazan’ny tompon’andraikitry ny pôlisy etsy Tsaralalàna, ka nahasimbàna fiara. Voatery nandray andraikitra ny amin’ny fiarovana ny kaomisaria sy ny fampitoniana ireo fokonolona ireo mpitandro filaminana. Ka niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireo olona telo, izay voalaza fa isan’ireo nitarika ity fikorontanana ity. Nalefa avy hatrany teny amin’ny kaomisaria foibe izy ireo, hisorohana ny mety hihitaran’ny raharaha indray. Torak’izay ihany koa ilay olona nosamborina voalohany teny Andohatampenaka. Tsy nisy ny fanapoahana basy na baomba mandatsa-dranomaso nandritra izany, hoy hatrany ny fanazavàna. Nanaiky nilamina ihany koa tetsy andanin’izay ireo andian’olona.
m.L