Ny sabotsy vao mangiran-dratsy lasa teo, roalahy no tra-tehaky ny pôlisin’ny boriborintany fahafito teny amin’iny faritra Ankasina iny. Raha ny fantatra dia teo am-panendahana tao anaty fiara mihitsy izy ireo no sendra an’ireo pôlisy nanao fisafoana. “Nitsoaka ireto mpangalatra. Raikitra avy hatrany ny fisamborana ka lehilahy iray no tratra fa ny iray kosa tafaporitraka. Nentina avy hatrany teny amin’ny birao natao fanadihadiana ka tamin’izany no nahafahana nisambotra ny namany iray izay tsy lavitra teo”, hoy ny fampitam-baovao. Vao 13 taona monja ny iray tamin’ireo olon-dratsy ireto raha ny vaovao voaray kanefa dia efa raindahiny tanteraka amin’izany asa ratsy izany. Niaiky izany rahateo moa izy ireo fa efa mpanao an’izany ary eny amin’ireny faritra be fiara ireny no tena lasibatra. Fa teny amin’iny faritra 67ha, akaikina toby fivarotan-dasantsy iray eny an-toerana, izay efa malaza amin’ity resaka fanendahana ity ihany koa dia fantatra fa “lehilahy miisa roa no tratehaky ny pôlisy teo am-panendahana ny alin’ny sabotsy. Polisy manao fisafoana amin’ny alina ihany koa no nahatazana azy roa lahy teo am-panendahana ka dia raikitra ny fisamborana. Rehefa tratehaka izy ireo dia nentina avy hatrany teny amin’ny birao nanaovana fanadihadiana ka tamin’izany dia niaiky ny heloka vitany izy ireo”. Omaly avokoa moa izy ireo no nentina teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L