- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha -Antohomadinika atsimo : Niverina nidina an-dalambe indray ireo mponina

67ha -Antohomadinika atsimo : Niverina nidina an-dalambe indray ireo mponina

Tsy nisy valiny no sady tsy mbola afa-po ary tsy hijanona raha mahazo rariny ireto vahoaka ireto. Omaly, niverina nidina an-dalambe indray ireo mponina an’arivony teny amin’iny faritra Antohomadinika atsimo, nipaka hatraty 67ha sy Isotry iny. Raikitra vely sarom-bilany, ny kiririoka ary filànjana soram-baventy. Antony, fandavàna ankitsirano ny fangalàna ny tany efa nohajiarin’izy ireo ho 51 taona ary ny fandrodanana ny tranony. Niha-mafy hatrany ity fitakiana sy antso avo ity, raha mitaha ny tamin’ny talata teo, izay nandehan’ireto andiana fokonolona ireto sy nitangorona teo amin’ny tranon’ilay mpandraharaha voalaza fa nahazo izany tany izany. Raha ny omaly, nisy ny filaharana nataon’ireto vahoaka ireto, nihazo iny arabe rehetra manodidina ny tany, izay kasain’olona alaina iny. Milaza ny hanohy hatrany ny hetsika moa izy ireo, raha mbola minia tsy mahita ny zava-misy sy tsy misy miheno ireto mponina ireto ireo tompon’andraikitra. Tsotra ihany moa ny hangatahan’izy ireo dia ny hanafoanana ny didy izay nahazoan’ilay olon-tokana ny tany ary ny hanomezana izany ho azy ireo. Marihana fa olana ara-tany efa an-taonany maro ity mitranga eny an-toerana ity. Tany izay mirefy manodidina ny 3 ha any ho any, efa nanorenan’ireto fianakaviana an-jatony maro. Anisan’ireo tany nalain’ny fanjakana tamin’izany fotoana saika hanorenena « cité » ho amin’ny mpianatra izy io saingy tsy nilaina indray taty aoriana. Lasan’ny Seimad ary nohajarian’ireo ray aman-drenin’ireto mponina nilanja soram-baventy ireto. « Tsy nisy afa-tsy honahona sy tsikafona ny teo fa ireo ray aman-dreninay no niezaka nanototra ary izao lasa tany mafy azo nanorenana izao ». Namidin’i Seimad indray taoriana kely, tany ho any amin’ny taona 86 tany. Nanomboka teo no nitranga ny olana. Efa nisy mantsy ny fifanarahana fa hamidy amin’ireo mponina efa nanajary izany toerana izany ny tany, saingy nilatsaka avy any fa efa lasan’olona anankiray eny an-toerana ny tany iray manontolo. Nanomboka teo ny raharaham-pitsaràna isan-karazany, izay mbetika nandresen’ny ankilany ary mbetika nandresen’ny ankilany. Nitohy hatratry amin’ny taona 2023 izao, izay nijanona teo amin’ny nanomezan’ny Fitsaràna rariny ilay mpandraharaha. Izay toe-javatra izay no tsy eken’ireto mponina ary io hanaovan’izy ireo antso avo io.

 m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici