- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha Avaratra : Lasan’ny mpanendaka ny firavaka 800,000 ariary

67ha Avaratra : Lasan’ny mpanendaka ny firavaka 800,000 ariary

Efa saika tafaporitsaka ity olon-dratsy ity raha tsy nisy nanampy ity ramatoa iray, tetsy 67ha Avaratra Atsinanana, ny alahady teo.  Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia firavaka sarobidy teny am-pelatanan’ity ramatoa ity no lasa, izay tombanana ho any amin’ny valo hetsy ariary any ho any.

Ireny toerana fiandrasana fiara mpitatitra ireny tokoa amin’izao no lasa tokontany filalaovan’ireo tontakely, raha ny eto an-drenivohitra. Efa maro ireo lasibatra, raha mbola teo am-piandrasana « bus », indrindra moa fa hoe efa manomboka hariva ny andro, tsy misy jiro eo amin’ilay toerana ary hifandrombahana izay tsy izy izay fiara mandalo. Toy ny nitranga tetsy amin’ny toeram-piantsonana iray « parking » tetsy 67ha Avaratra, faritra izay efa mampitaraina ny maro tokoa. Omaly alahady, tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any, tovolahy iray 18 taona teo ho eo no nanatona ity ramatoa iray, niandry ny fiara handehanany teo. Tao anatin’ny fotoana fohy monja no nisintonany ilay firavaka sarobidy teny amin’ilay ramatoa. Nitsoaka nihazo elakelan-trano avy hatrany ranamana taorian’ny asa ratsiny. Niezaka nanenjika ihany moa ity farany, hoy ny vaovao saingy efa tafaporitsaka ingahirainy. Olona sendra nandalo nahita ny zava-nisy no rafitra nanenjika ity tontakely ity, rehefa nahita ny lalana nitsoahany ary tsy lasa lavitra dia voasambotra. « Rehefa azon’izy ireo ilay mpangalatra dia naterina avy hatrany tao amin’ny Biraon’ny Polisy 67 HA. Araka ny voalazan’ity vehivavy ity dia mitentina 800.000 ariary ny vidin’io firavaka io. Niaiky ny heloka nataony ity mpanendaka ity nandritra ny fanadihadiana natao taminy. Natolotra ny fitsarana androany 19 aprily 2021 ny raharaha » hoy hatrany ny vaovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici