Sahy manafika hatrany anaty hotely ireo mpanao ratsy ! Tsy tahotra tsy henatra tokoa fa dia notongavan’ireo mpanafika hatrany anatin’ny efitranony tao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray teny amin’iny faritra 67ha iny ny tovovavy roa, izay avy niala sasatra. Roa lahy izy ireo, izay niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana. « Nitsofoka tao amin’ity mpampanofa trano ity ireo jiolahy ary nandondona tao amin’ny varavaran’ilay efitra nisy ireto tovovavy ireto ary nilaza ireo jiolahy fa « receptioniste » ka nosokafan’izy ireo » araka ny tatitra azo avy amin’ny polisy. Vao namoha anefa, tonga dia sabatra no nitsena ny iray tamin’ireo tovovavy, teny amin’ny tendany. Norahonan’ireo olon-dratsy izy roa ireo hamoaka ireo entana sy vola rehetra tany aminy. Lasa tamin’izany ny finday avo lenta telo sy firavaka sarobidy maromaro, izay miteti-bidy eo amin’ny efatra tapitrisa ariary latsaka kely teo ho eo. Nametraka fitairana avy hatrany ireto voatafika. Marihana fa ny tapaky ny volana janoary teo no nitrangan’ity asa ratsy ity. Nanomboka teo araka izany ny fikarohana azy roa lahy ireo. Marihana mantsy fa azo sary tamin’ny alalan’ny « camera de surveillance » izy ireo. Ny faran’ny volana teo dia tsikaritra teny amin’iny faritra Antohomadinika iny ny iray tamin’ireo mpanafika, izay nanao ny fitafiana nitovy tamin’ny andro nanaovany ny asa ratsiny. Nosamborina avy hatrany moa ilehio. Ny zoma lasa teo indray dia nisy vaovao azon’ireo polisy fa hita nihaodihaody teny akaikin’ny trano fandraisam-bahiny iray teny an-toerana koa ny iray namany. Tonga nanamarina izany ny polisy ary dia hita teo tokoa ilay bandy. Nosamborina avy hatrany izy ary nentina natao famotorana. « Rehefa natao ny fanadihadiana azy roa lahy ireto dia niaiky ny heloka vitany izy ireo », hoy ny vaovao. Ny voalohan’ny herinandro teo moa no natolotra ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto ary nadoboka am-ponja vonjimaika avy hatrany.
m.L