- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : « Cash point » nisy nanafika, lasa ny vola an-tapitrisany

67ha : « Cash point » nisy nanafika, lasa ny vola an-tapitrisany

Mpivarotra, mpanakalo vola amin’ny finday, na irony fantatra amin’ny anarana mahazatra irony hoe « cash point » iray indray no lasibatry ny fanafihan-jiolahy, ny voalohandohan’ny herinandro teo, teny amin’iny faritra 67ha iny. Tsy nisy naratra na ny namoy ny ainy, saingy vola an-tapitrisany kosa no lasa tamin’io fotoana io. Telo lahy mirongo basy ireo mpanafika, raha ny fanazavana azo ary avy hatrany dia niditra tao amin’ilay fivarotana. Amin’ny toe-javatra tahak’itony sy toy ny fanaon’ireo olon-dratsy, dia toy ireny mpanjifa haka vola na hametraka vola ireny ry zalahy ireto. Ny sasany aza dia manontany mihitsy aloha hoe, « misy vola ve ao fa haka bebe izahay »  ka raha amin’iny no manaiky ilay mpivarotra, avy ry zalahy amin’ny basy sy ny benitra. Heverina fa toy izay mihitsy no nahazo ity « cash point » ity. Raha ny tati-baovao azo mantsy, dia tamin’ny ora mbola nisokafany tsara no tonga ry zalahy ireto, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any. Nandeha môtô izy ireo, ary nijanona soa aman-tsara teo anoloan’ilay mpivarotra toy ireny mpanjifa ireny. Nony tafiditra dia navoakan’izy ireo avy hatrany basy sy ny zava-maranitra teny an-tànany, nentiny nandrahonana ilay mpivarotra hamoaka ny vola rehetra tao. Nentin’ny tahotra ity farany, dia nanaiky izay rehetra nolazain’ireto olon-dratsy. Rehefa azon’izy ireo ny vola an-tapitrisany teo ho eo sy ny findain’ity toerana fanakalozana vola ity, dia nivoaka toy ireny tsy nanao n’inona n’inona izy ireo, nandray ny môtôny ary lasa. Taorian’io vao afaka niantso vonjy ity voatafika.  Tonga teny an-toerana moa ny mpitandro filaminana ary nandray an-tànana avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici