Vola mitentina teo amin’ny enina tapitrisa ariary teo, niaraka tamin’ireo finday fampiasa no voalaza fa voaroba tao amin’ity cash point iray tetsy 67ha, ny voalohandohan’ ny volana teo. “Ny andron’ny 02 april 2021 dia nahazo antso avy amin’ny mpanampiny ny tompona « cash point » iray eny 67ha Sud ary nilaza izy tamin’izay fa nisy nanafika ny tenany ka lasa tamin’izany ny vola mitentina 6.200.000Ar mahery kely miaraka amin’ny finday nampiasaina. Nanamafy ihany koa izy fa naratra mafy ny tarehiny. Rehefa nahare izany ny tompon’ilay «cash point » dia napandre ny Polisy avy hatrany” hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Nandray ny andraikiny avy hatrany ary nidina teny amin’ny toerana voalaza fa nisian’ity fanahafihana “cash point”ity ireo polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito. Araka ny tatitra azo hatrany, rehefa nijery ifotony ny zava-nisy izy ireo dia tsy nisy akory io fanafihana voalaza io. Karazana sarin’ady ihany izy io, hoy hatrany ireo polisy fa ilay mpiasa tao amin’ity cash point ity ihany no toa ahiahiana no nahavita nangalatra ireo volabe sy ireo finday. Nentina avy hatrany tany amin’ny birao ity farany natao famotorona ka niaiky tokoa fa izy ihany no namorona io fandrobana io. Nisy namany hafa roa lahy mipetraka eny amin’iny faritra Ampitatafika iny no nambarany fa niray tsikombakomba taminy ary nametrahany ireo vola. Nidina avy hatrany teny an-toerana voalaza moa ireo polisy ary tra-tehaka tao tokoa izy roa lahy, izay mbola hita niaraka tamin’ny ampaham-bola sy ny sakaosy fitoeran’ilay vola. Nosamborina avy hatrany moa izy roa lahy ireto ary nampiarahina tamin’ny namany efa voasambotra taloha. Omaly izy ireo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana. Ireo ambim-bola azo teny am-pelatananan’iretsy mpangalatra kosa efa nomena ny tompony.
m.L