
Vola manodidina ny roa tapitrisa ariary latsaka teo no azon’ireto olon-dratsy nandritry ny fanafihana « cash point » iray tetsy 67ha ny faran’ny herinandro iny. Vy maranitra no nentin’izy ireo, nanao ny asa ratsy, ary tsy am-pihambahana tokoa ny nandratr’ireto farany ny mpiambina izany toerana fakàna sy fandefasana vola izany.
Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any, izany hoe mbola be olona teny amin’io toerana io no nanantanterahan’ireo jiolahy izay niisa telo ny asa ratsiny, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Nisy nahita rahateo aza izy ireo, raha ny fampitam-baovao azo ary ny lokon’ny akanjony no nentina namantarana azy ireo rehefa nifanenjehan’ny polisy. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia nanao amboletra niditra fotsiny tamin’ity toerana ity ireto telo lahy ary tsy nandratra avy hatrany ilay mpiambina an’ilay toerana, tamin’ny zava-maranitra nentin’izy ireo. Naratra mafy iry voalohany, ary nanao izay danin’ny kibony nibata ny vola rehetra tao amin’izay izy ireo. Rehefa nahazo izay nilainy dia nitsoaka nandositra toy tsy teo. Ireo sendra nanatri-maso ny zava-nisy teny an-toerana no niantso avy hatrany ireo pôlisy nanao fisafoana tsy lavitra teo. « Namonjy avy hatrany ny niharam-boina ireo pôlisy ary nanao ny fanenjehana ireo jiolahy nony avy eo ». Nitohy hatramin’ny alina, ary tonga ny ampitso maraina mihitsy moa ny hazalambo sy ny fikarohana ireto mpanafika ireto. Tsy namelan’ireo pôlisy raha tsy tratra. Teny amin’iny faritra Isotry iny no tra-tehaka ireto nahavanon-doza ireto, hoy ny fampitam-baovao, ary mbola ny akanjo nanaovan’izy ireo ny andron’ny fanafihana ihany no mbola nentin’izy ireo ny omaly. Izay anisan’ny nanamora ny nanampaingorana azy ireo. Mbola tratra tany amin’ireto olon-dratsy ireto moa ny ambim-bola nangalarin’izy ireo, izay tsy nisy afa-tsy 360.000 ariary sisa tamin’ireo roa tapitrisa latsaka kely nalainy. Nentina natao famotorana avy hatrany ary ny talata lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana sy nadoboka am-ponja avy hatrany. Nisesisesy indray ity fanafihana « cash point » tao ho ao izay. Ary ny loza dia mirotsaka an-tsehatra manao izany asa ratsy izany ihany koa ny terantany vahiny. Tranga tetsy Analamahitsy.
m.L