Tsy nangalatra, tsy nisoloky na koa nanao asa ratsy toy ny fandre mahazatra fa…nirevy. Izay no antony nisamborana ireo efa-bavy tao amin’ny toeram-pisotroan-toaka iray tetsy amin’ny cité des 67ha ny alin’ny alarobia teo. Ny fandikan-dalàna tao anatin’ity raharaha ity, dia ny tsy fanarahan’izy ireo ny fepetra ara-pahasalamana. Voalohany dia ny nandehanana any anaty bar, toerana izay efa nodradradradraina ny fandraràna ny fisokafany amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao. Manarak’izany, dia ny fivoahana amin’ny alina amin’izao fotoanan’ny « couvre-feu » na koa ny tsy fahafahana mivezivezy manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny efatra ora maraina. Noraisina ho tsy fanajàna ny fepetra napetraka izany ary fandikàna ny lalàna mifandraika amin’izany. Nisy lehilahy iray koa nosamborina niaraka tamin’ireto taranak’i Eva ireto noho ny antony nitovy. Nentina tao amin’ny kaomisaria miandraikitra iny boriborintany izy ireo ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany. Isan’ny notazonina koa ny tompon’ny bar. Tamin’ity tranga ity dia somary hitan’ny polisy nisokatra ny varavaran’ilay toeram-pisotroana ary rehefa nohamarinina dia hita tao ireo olona dimy nisotro toaka. Somary nizara ihany ny hevitry ny olona raha nandeha tamin’ny tambajotran-tserasera ny resaka. Tao no nahita, fa tena ilaina ny fanidiana tanteraka ny « bar » ary mbola tokony hamafisina lavitra aza ny sazin’ireo mandika lalàna. Nisy koa anefa no tsy dia mahazo loatra ilay fanapahan-kevitra, indrindra raha nahita izy ireo fa latsaky ny 50 ny isan’ny olona tao amin’ilay toerana. Raha zohina anefa ny tena fototr’ilay fepetra dia satria rehefa mamo ny olona dia tsy mahafehy tena ary tsy hahatandrina ny arovava sy ny elanelana ary dia mazava loatra fa mora miparitaka ny Covid-19. Ankoatra ny fepetra mahazatra toy ny fanasaziana ireo tsy manao aron-tava dia miompana manokana amin’ny fanaraha-maso ny bar indray izao ny ezaky ny mpitandro ny filaminana. Tonga hatramin’ny fangalana « licence » mihitsy ho an’ireo bar izay minia misokatra. Izany dia ankoatra ny fanenjehana ara-pitsaràna ny tompon’ireny toerana ireny.
D.R