- Publicité -
mercredi, août 20, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : Fanafihana mitam-piadiana, olona roa voatifitra, namoy ny ainy ny iray

67ha : Fanafihana mitam-piadiana, olona roa voatifitra, namoy ny ainy ny iray

Olona iray no namoy ny ainy, maty voatifitry ny jiolahy, teny amin’iny faritra 67Ha iny ny alahady hariva lasa teo. Niteniteny  indray mantsy ny basy teny 67ha Avaratra Antsinana sy teny amin’ny faritra Antohomadinika iny, tamin’io harivariva io, tokony ho tamin’ny enina ora tany ho any. Fito lahy mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nampihorohoro ny mponina teny an-toerana. Raha ny vaovao azo dia ny dimy tamin’izy ireo nitondra kalaky, ary ny roalahy, nitondra basy poleta tsotra.   Toa efa vonona hanafika sy hampihorohoro mihitsy. Nambaran’ireo mponina mantsy fa dia mandeha am-pilaminana izy rehetra sady manapoaka basy, entina hampitahorana ireo mponina. Toa ireo olon-dratsy, ao anatina horonantsary « western » ireny mihitsy, hoy hatrany ny olona. Vokany, lehilahy iray teny an-toerana no voan’ny bala verin’ireto jiolahin’ny « Far West » ireto. Tobin-tsolika iray teny amin’ny faritra Antohomadinika no niharan’ny fanafihana voalohany, niaraka tamin’ireo mpanjifa. Nanaraka izany ilay « epi-bar » teo am-pitan’io voalohany io. Nitohy tamina fivarotana madininika teny an-toerana, ka hatraty 67ha, raha ny  voalazan’ireo mponina hatrany. Tao anatin’izany no nisy vehivavy iray mpiantsena, nifanena tamin’ireto andian-jiolahy miravaka fitaovam-piadiana hatrany am-paladia ka hatreny an-tampon-doha ireto. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia ny basin’ireo olon-dratsy  no niteny. Trobaky ny bala teo amin’ny kibony ary tafavoaka taty amin’ny lamosiny. Nentina novonjena haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana avokoa ireo naratra, saingy tsy tana ny ain’ilay vehivavy, taorian’ny fahaverezan-drà be loatra. Vola maromaro ihany no lasan’ireto olon-dratsy ireto tao anatin’ity tranga iray niseho teny an-toerana ity, raha ny fantatra. Afa-po izy ireo vao nitsoaka. Taorian’izay vao afaka niantso ny mpitandro filaminana sy niantso vonjy ireo voatafika. Ireto mpitandro filaminana, izay niezaka nanao savahao ny manodidina, saingy indrisy fa nanjavona tao anatin’ny haizina ireo olon-dratsy. Mitebiteby ireo mponina. Fa eo anatrehan’izay indrindra, raha ny fantatra, dia efa nisy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser