Mitombo isa hatrany ireo vehivavy voasambotry ny pôlisy amin’ity resaka fanendahana sy harom-paosy ity. Ankoatra ilay teny Isotry, dia teny amin’iny faritra 67ha iny indray no nisy telo vavy voasambotra.
Andiam-behivavy, mpanataka poketran’olona amin’ny « lame » sy mpisintona izany tokoa mantsy no tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny, ny sabotsy hariva lasa teo, tsy lavitra ny fiantsonan’ny taxibe akaiky ny hôtely lehibe iray eny an-toerana. Tsy nampoizin’izy ireto mihitsy ny fisian’ny mpitandro filaminana tsy manao fanamiana, izay efa mipetraka sy mitily fotsiny ireo mpanao ratsy teo amin’io toerana io. Avy hatrany dia nopaingorina izy ireo, raha vantany vao nahavita ny asa ratsiny ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria atao fanadihadiana. Voalaza fa mbola tratra teny aminy ny poketran’ilay olona avy nosintomin’izy ireo ary nahitàna « lame » ihany koa tany amin’ireo vehivavy ireto, raha ny vaovao azo azo hatrany.
Rehefa manakaiky fety toa izao tokoa dia mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana. Ireo totakely, mpanendaka sy mpangaraom-paosy dia manao ho tokotany filalaovany, ny eny amin’ireo toerana misy tsena, izay efa fantatra fa be olona tokoa. Amin’izao, ekena fa efa maro ireo paik’ady rehetra ataon’ireo mpitandro filaminana, indrindra fa ny eto an-drenivohitra, hiadiana amin’izay, ary porofo izao fahatratrarana saika isan’andro ireo totakely izao, saingy heverina fa mbola tsy ampy ary tokony hohamafisina sy hampitomboina ireo mpanao fisafoana. Ny indro kely mantsy dia mahay manova paik’ady ihany koa ireo olon-dratsy. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ireo mpanendaka mandeha môtô indray …
m.L