Tsy vitsy tokoa ny fitairanana tonga eny anivon’ny pôlisy mahakasika ny resaka fanendahana sy sinto-mahery ary harom-paosy eny amin’iny faritra 67ha. Ity faritra ity izay efa voasokajy ao anatin’ny faritra mena amin’izay resaka tsy fandriampahalemana izay. Izay toe-javatra izay indrindra no nanosika ireo pôlisy tompon’andraikitra iny faritra iny, hametraka paikady manokana hiadiana amin’ireo tontakely sy olon-dratsy. Ao anatin’izany ny fanasiana pôlisy manao fanamiana sivily, manangom-baovao sy ny misafo ireny elakelan-trano rehetra, izay efa voatondro ho fieren’ireny mpanao ratsy ireny.
Nandritra ireny fisafoana ireny mihitsy no nifanehatra tamin’ny pôlisy ireto andiam-panendaka, izay mbola teo am-panjonoana ny hazany teny an-toerana, ny sabotsy teo. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro, tetsy 67ha Avaratra tsy lavitry ny « Lavage » hoy ny vaovao azo. « Nahita jiolahy miisa telo mbola teo ampisokirana ny poketrana mpandalo iray teny 67Ha teo akaikin’ny Garage. Tsy niandry ela ireto mpitandro ny filaminana fa namonjy ilay mpandalo. Raikitra ny fifanenjehana na vaky nandositra ny mpanendaka telo, i Rasta kosa no tratra tsy lavitra teo izay malaza amin’ny resaka fanendahana sy fisakana poketra eny amin’ny faritra 67Ha sy ny manodidina. Vaky nandositra kosa ireo namany roa lahy ary mbola karohina ankehitriny ». Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito Rasta. Ingahirainy, izay fantatra fa efa mpitsidika matetika ny eny Antanimora, noho izay resaka fanendahana izay hatrany.
m.L
Neveriko fa i takolaka gilady no tratra…