Lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito tetsy 67ha. Raha ny fanazavana azo, dia efa maro ireo fitarainan’ny mponina mahakasika ny fisiana mpanendaka miaraka amin’ny antsy lava lela, eny amin’iny faritry 67ha ka hatreny amin’ny Vatobe iny. Nidina ifotony teny ireo mpitandro filaminana ka tovolahy iray no nosamborina rehefa nampiseho fihetsika mampiahiahy. Nandà hatramin’ny farany ny maha-mpanendaka azy ny lehilahy, saingy nohamarin’ireo olona izay efa lasibatra sy tonga nametraka fitoriana tao amin’ity kaomisaria ity ny maha-olon-dratsy azy. Tetsy an-danin’izay, dia mbola nanamafy ihany koa ny vaomieran’ny fandriampahelamana teny an-toerana, fa « vao tsy ela akory izay no hitan’izy ireo nanendaka tovovavy iray ity lehilahy ity » hoy ny fampitam-baovao. Finday maromaro no efa azon’izy ireo, miaraka amin’ny vola misimisy ihany. Ny entana azon’ity lehilahy ity sy ny namany moa dia amidiny eny an-toerana ihany, amin’ny vidiny mora dia mora.
Raha izany tokoa no izy, dia saika mampiahiahy avokoa, araka izany ireo finday amidy eny an-tsisin-dalana rehetra eny. Mazava ho azy mantsy, fa tsy hisy mpivarotra lehibe hanaiky hividy sy hiverina hivarotra zavatra tsy ara-dalàna sy fantatra fa halatra izany. Ary tsy eny amin’ny sisin-dalana ihany anefa, fa efa mitobaka tanteraka ihany koa izany fivarotana finday izany anaty tambazotra sosialy. Misy amin’izy ireny no tena tsy mampino ny vidiny, satria dia mora dia mora tokoa raha hampitahaina amin’ny vidiny tena izy. Mila mailo tokoa araka izany, satria raha ny lalàna velona eto amintsika dia samy hiharan’ny sazy avokoa na ny mpangalatra, na ireo mpividy halatra.
m.L