- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Ilay voendaka indray no nodarohan’ny olona

67ha : Ilay voendaka indray no nodarohan’ny olona

Maty paika ! Izay no azo ilazàna ny tetikadin’ireo mpanendaka eny amin’iny faritra 67ha iny. Tsy eny ihany anefa fa manerana ireo faritra be olona eto Andrenivohitra. Ny alatsinainy lasa teo, raim-pianakaviana iray no nendahina tovolahy iray teny amin’iny faritra voalaza etsy ambony iny. Somary ranjanana ity lasibatra ity ka rafitra avy hatrany nanenjika ity nanendaka azy no sady niantso vonjy. Nisy tokoa ny olona nanampy nanenjika, saingy tsy nanenjika fe nanenjika iry mpangalatra anefa ireto andian’olona ireto fa vao mainka aza namingana an’ity rangahy ity. Vao nianjera tamin’ny tany ity farany dia avy hatrany dia vono sy daroka no nahazo azy. Nisy ireo olona nahita ka nanampy ihany, rehefa nolazain’iretsy namingana fa mpanendaka ity farany. Saika ratsy fiafara andro fety ity rangahy ity, raha tsy tonga ny namany izay nanamarina fa tsy olon-dratsy io fa izy io ary no lasibatry ny mpanendaka. Tsy hita tany nanjavonana teo ireo namely tamin’ny voalohany rehefa tena nazava ny resaka. Mazava ho azy fa naman’ilay mpanao sinto-mahery ihany ireto mody nanampy nanenjika sy namingana ireto. Voalazan’ireo mponina eny an-toerana moa, fa tsy mandeha iray na oviana na oviana izany ireto olon-dratsy ireto fa tsy maintsy misy namany roa na telo fara-fahakeliny eny ho eny. Mahafantatra tsara azy ireo mponina raha ny fantatra, saingy tsy sahy miteny sy mampitandrina, tahotry ny hifoteran-dry zalahy ireto nony avy eo. Araka izany tena tsy misangy ry zalahy tontakely ireto ary izay sahy manohitra azy dia mandraingiraingy tokoa. Toa ilay tovolahy mpianatra vao nanao « soutenance » sahy nifanehitra tamin’ny iray, kanjo nitambarana enin-dahy ary tsy navelan’izy ireo raha tsy naratra mafy sy niafara tany amin’ny hôpitaly. Aleo mailo ihany …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici