Manao izay fara-heriny mihitsy amin’izao ankatoky ny fety izao ireo tontakely sy mpanendaka, indrindra fa amin’ireo toerana be olona. Ny ankabeazan’ny olona mantsy amin’izao dia saika manararaotra mba mivoaboaka avokoa rehefa alina ny andro. Teny amin’iny faritra 67ha iny dia fantatra fa ataon’ireo mpanao ratsy lasibatra tokoa ireo mpamonjy lanonana amin’ny alina. Toy ny nahazo ity tovolahy iray izay vao nivoaka ny trano filanonana iray teny an-toerana ny alahady alina teo. Nifanehatra tamina mpanendaka ity farany ka lasa tamin’izay ny findainy. Voalaza anefa fa tadidiny tsara ny tarehin’ilay olona nanendaka azy ka nanatona avy hatrany pôlisy misahana iny faritra iny ny tenany. Teo ho no eo kosa dia nirotsaka teny an-toerana ireto farany ary nanao savahao ny faritra. Mbola hita nihaodihaody teny, nitady izay ho hazany manaraka indray moa ilay olon-dratsy tamin’io ka dia noraisim-potsiny. « Rehefa nentina tany amin’ny birao ny tenany nanaovana fanadihadiana dia niaiky ny heloka nataony ». Tsy ity tovolahy ity ihany moa no efa tratra teny an-toerana fa efa maro ireo mitairana amin’ny toe-javatra tahak’izany eny amin’iny faritra iny.
Marihana anefa fa manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa ireo mpitandro filaminana amin’izao ankatoky ny fety izao, mba hanaovan’ireo vahoaka fety am-pilaminana. Napetraka avokoa rehefa mety ho paik’ady rehetra hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana : ny fisafoana ireo elakelan-trano rehetra any, ny fametrahana ireo mpitandro filaminana tsy manao fanamiana hijery sy hitily ireo mpanao ratsy eny amin’ireo toerana be olona, sy ny maro samihafa. Na izany aza anefa toa mbola mahita hirika hanaovana izany asa ratsiny izany hatrany ireo tontakely. Eo indrindra no hiantsoan’izy ireo fiaraha-miasa amintsika fokonolona, hampilaza azy ireo avy hatrany raha vao mahita tranga mampiahiahy.
m.L