- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-Divers67ha : Lehilahy maty voadon’ny kamiô no sady voaendaka

67ha : Lehilahy maty voadon’ny kamiô no sady voaendaka

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona tany ho any no maty nodomin’ny fiara teny amin’iny faritra 67ha iny. Tsy vitan’ny efa nindaosin’ny fahatesana anefa izy araka ny vaovao voaray hatrany fa mbola voandeka ihany taorian’ny loza nahazo azy. Raha ny fantatra hatrany dia mety ho tany any ho any amin’ny 10 ora sy sasany alina tany ho any no nitranga ny loza, raha ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana. Nahenoana diana hisatra maneno be teny an-toerana tamin’io fotoana io. Ankevitry ny avy nisotrosotro ihany koa, angamba ity lehilahy ity raha ny filazan’ireo mponina hatrany, satria dia tsy nahita ny kamiô, izay nandona azy. Maty tsy tra-drano avy hatrany vokatr’io fifandonana io ity tovolahy ity. Raha ny fantatra dia ratra teo amin’ny lohany no nitarika izao fahatesany izao. Ambonin’izay anefa, raha ny fantatra hatrany anefa dia mbola nisy nanararaotra ihany koa ity olona maty ity teny an-toerana. Tsy hita teny an-toerana mantsy ny môtô nentin’ity tovolahy ity. Etsy andanin’izay ihany koa, raha ny vaovao voaray hatrany dia tsy hita teny an-koditr’ity tovolahy ity intsony ihany koa ny fitafiana sasany. Angamba ihany koa mety nosoloin’ireo mpanararaom-paty ny kiraro teny an-tongony fa kapa kely sisa no hita teny amin’ity tovolahy ity raha naterina teny amin’ny tranom-paty ny razana, tokony ho tamin’ny misasak’alina teo. Amin’izao fotoana izao tokoa dia tsy vitsy ireo fiara mandona olona na fiara amin’ny alina, ka tsy hitan’ny olona no mitsoaka ny loza nataony. Tsy fantatra mazava aloha hatreto na mba nandray andraikitra tamin’ity loza ity ilay fiara nandona. Ny fisian’izao fanendahana izao anefa no midika fa nivalampatra fotsiny teo amoron-dalana ity olona ity matoa mbola sahin’ireo mpanao ratsy ny mahavita manendaka azy.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser