- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : Lehilahy nahatratrarana basy vita gasy

67ha : Lehilahy nahatratrarana basy vita gasy

Saika hanao asa ratsy ? Ny andron’ny alatsinainy lasa teo, andian-jatovo niisa teo amin’ny telo teo no nampiahiahy tanteraka ireo mponina teny amin’iny faritra 67ha iny. Mampideradera fitaovam-piadiana mitovy endrika amin’ny basy izy ireo tamin’izany ary miriaria tsy misy henatra teny an-toerana. Voatery nampandre avy hatrany ny pôlisy araka izany ireo mponina. Ireto farany izay teo am-panaovana fisafoana tsy lavitra teo, ary tonga haingana teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy.

Tsy nisalasalana tokoa fa tena nisy ireto telolahy ireto voalazan’ny loharanom-baovao azon’ny pôlisy ireto, hoy hatrany fampitàna azo ary maro ireo olona nahita azy ireo. Voatery niroso tamin’ny fisafoana ireo elakelan-trano teny amin’ny manodidina sy ny toerana nolalovan’izy ireo ireo pôlisy teo anivon’ny Fip. Tsy ela dia nifanena tamin’ny iray, izay nosamborina sy nosavaina avy hatrany. Nisy namany anankiroa nanaraka azy, hoy hatrany ny fanazavana azo saingy niezaka nanao tari-dositra ary tafaporitsaka tamin’ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana. Nandritra ny fisavàna ity tovolahy ity no nahitàna basy vita gasy tany aminy. Ary tsy vitan’izay fa mbola nisy « bigboss » sy hety ary finday miisa roa. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava izay tena antony niriariavan’ity farany sy ny namany, niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana ireo. Mbola eo am-panaovana famotorana azy moa ny sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo namany anankiroa tafatsoaka tamin’io andro io.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici