Niaiky ny heloka nataony ity lehilahy iray, avy nanendaka ramatoa, teny amin’iny faritra 67ha iny, voasambotry ny andrimasom-pokonolona, ny faran’ny herinandro lasa teo. Voalazany moa, fa noho ny fitambesaran’ny trosany no nanaovany ilay asa ratsy. Efa saika niharan’ny vonon’ny fokonolona izy raha tsy tonga haingana ireo mpitandro filaminana.
Ny alakamisy tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro lasa teo, nanararaotra ny mahavehivavy lehibe azy ity mpanendaka iray, izay efa nanaraka sy nitily ilay ramatoa efa ela, ka nony hitany fa varimbariana avy hatrany dia nendahany ny finday teny aminy. Nandositra izy nony avy teo. Ireo izay nahita ny zava-nisy kosa avy hatrany dia nanampy, niezaka nanenjika ilay olon-dratsy saingy tsy tratra fa tafaporitsaka ilehio. Tamin’ireto olona nanenjika ireto anefa, nisy nahafantatra an’ilay lehilahy ary hita hatramin’ny toeram-ponenany, teny Ampefiloha Ambodirano. Nalehan’ireo vaomieran’ny fandriampahalemana sy ilay lasibatra teny avy hatrany ity farany. Niaiky tokoa izy fa izy ilay nanendaka, saingy ilay finday lasany tsy tany aminy intsony, fa efa nokasainy hamidy. Nilaza anefa izy fa azony alaina ilay finday ary hateriny. « Tonga nanatitra ilay finday teny amin’ny 67 ha tokoa ary ity lehilahy ity tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany. Manoloana ny hatezeran’ny olona tamin’ity olon-dratsy ity sy ny saika nisian’ny fitsaram-bahoaka anefa dia niantso polisy ny Vaomieran’ny fandriampahalemana ary tonga faingana ny polisy naka ilay lehilahy io ». Efa naverina tamin’ny tompony ilay finday. Ity farany kosa nilaza ny tsy hitory azy. Na izany aza anefa dia efa natolotra ny Fampanoavana ny sabaotsy teo ity mpanendaka ity.
m.L