- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mitohy ny fisamborana ataon’ny polisy manao akanjo sivily

67ha : Mitohy ny fisamborana ataon’ny polisy manao akanjo sivily

Mety ary tena misy vokany ilay fika hatreto. Ampanaovina fanamiana sivily ireo polisy ary alefa mandeha eny amin’ny toerana be mpanendaka. Ny alakamisy teo dia lehilhahy iray indray no voasambotr’ireo teo am-panendahana. Teo am-pisintomanana kavina volamena izy no tsikaritr’ireo mpitandro ny filaminana izay nihainohaino teo amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara fitaterana. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tamin’io ary efa feno mpanendaka toy ny mahazatra ilay toerana. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy mihitsy ny fisian’ireo mpijoko azy ireo teo amin’ny manodidina izay efa nanara-maso ny fihetsiky ny tsirairay. Rehefa nohadihadiana dia fantatra fa 50 taona ilay lehilahy ary nanomboka izy 26 taona no nanendaka. Izany hoe 24 taona nivelona tamin’io asaratsy io ilay rangahy ary efa intelo nifonja saingy tsy mety fay. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ary nidoboka am-ponja indray. Ny tranga toy izao dia manaporofo fa tsy voatery hitazom-basy etsy sy eroa ny mpitandro ny filaminana vao azo atao hoe mahomby. Ilaina kokoa aza izy miasa mangina toy izao. Porofon’izany, efa maromaro ny voasambotra teo amin’io kartie io noho ity fomba fiasa tsy fahita firy ity, kanefa efa fanaon’ny mpitandro ny filaminana any ivelany rehefa manao angom-baovao sy fikarohana ny olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici