Rehefa tra-tehaky ny rehetra, ilay paik’ady mody mamo, nefa mikasa ny hanendaka ireo olona anaty fiara dia mivadika hevi-dratsy hafa indray ireo tontakely. Ireo mpitaingina kodiaran-droa indray no ataon’izy ireo mahita faisana. Ny mahagaga dia manao vy very ny ainy mihitsy izy ireo mba hanaovana ny asa ratsiny : manao voadonan’ny môtô.
Lehilahy iray, nitondra môtô, no lasibatra tetsy amin’iny lalana avy any 67ha mizotra mankany Andavamamba iny ny alahady lasa teo. « Ianao tsy manam-po na inona na inona, no misy miampita tampoka. Nandrasany tena akaiky, ho tsy afaka nanapotsitra ny hisatra iny intsony» hoy ny fitantarany. « Niezaka niala ary nianjera sy tafapitika teny ambony môtô mihitsy. Ilay olona ihany koa voadona. Tamin’izay fotoana izay no nisy lehilahy maromaro nivoaka avy any, toy ny efa niandry ny zava-nisy fotsiny ary niezaka nihorakoraka sy ny niantso fokonolona fa hoe nandona olona aho. Ny hafa amin’io, hitako miezaka misavasava ny akanjo sy ny tao anaty môtô. Nisy aza moa tsy tahotra tsy henatra fa handeha hibata ilay môtô mihitsy». Mazava ho azy, naratra mafy ity lehilahy ity, saingy na dia teo aza ny ratrany, dia mbola afaka niaro-tena ihany tamin’ny fanendahana nihatra taminy. Nisy namany ihany koa teo amin’ny manodidina ka io avy hatrany dia namantatra ireo mpanendaka. Niezaka niala tsimoramora moa ry zalahy rehefa tratra teo ny teti-dratsiny. « Soa ihany, hoy izy, fa raha tsy izany dia sady niharan’ny fitsaram-bahoaka no lasibatry ny fanendahana ».
Azo lazaina fa sendra nitsikian’ny vintana ity mpitondra môtô iray ity. Tsy toa ireo namany hafa, izay efa maromaro no lasibatr’ireo olon-dratsy amin’ny toe-javatra toa izany. Marihana fa efa tambazotra kely iray mihitsy ireto olon-dratsy ireto. Misy ilay mpanao vy very ny ainy : ilay « voadona », misy ilay mihogahoga miantso vonjeo fotsiny : raha vao « nanaikitra ny trondro » ary ilay tsy manaiky mihitsy fa hoe nahita maso ny zava-nitranga fa « tena nandona olona ilay môtô », misy ireo mody manampy an’ilay lasibatra sy miezaka mpampandry adrisa, ary ny hafa manao ny asa ratsiny amin’izay, misava izay azo alaina sy mibata ny môtô mihitsy avy eo. Tsy mijanona amin’ny toerana iray ry zalahy ireto fa mifindrafindra foana. Na izany aza iny lalan’i 67ha, Andavamamba, Ampasika, Andohatampenaka, iny no tena tokontany filalaovany. Mila mailo.
m.L