- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mpanafika « cash point » maty voatifitry ny pôlisy

67ha : Mpanafika « cash point » maty voatifitry ny pôlisy

Nitatatata indray ny basy tetsy 67ha, omaly antoandro. Lehilahy iray no lavo tao anatin’izay, izay nambaran’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa jiolahy nikasa hanao fanafihana teny an-toerana.

Maro tamin’ireo mponina teny amin’iny faritra 67ha atsimo iny no niaina tao anatin’ny fitaintainana tanteraka omaly tokony ho tamin’ny mitataovovonana tany ho any. Saika nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray mantsy teny an-toerana, tamin’io fotoana io, saingy nisy nampandre mialoha ireo mpitandro filaminana ka voasoroka mialoha izany. Eny fa na dia tao anatin’ny an-kitifitifitra sy rà mandriaka aza.

Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso ny zava-nisy teny an-toerana dia irony toerana fisintomana vola irony no saika lasibatry ny andian-jiolahy. Ny teo anivon’ny polisim-pirenena tetsy andanin’izay nilaza fa mpamongady no saika voatafika. Na iry voalohany anefa na ity faharoa anefa dia azo lazaina fa afa-doza noho ny tsy nahatanteraka ny zava-dratsy nokasain’ireto olon-dratsy ireto natao. Vantany vao nahita ny fisian’ireto roa lahy nampiahiahy teny an-toerana mantsy ny mponina dia nampandre haingana ny mpitandro filaminana. Ireto farany, araka ny voalaza dia efa tsy miala lavitra eny, amin’ny fanaovana fisafoana ireo elakelan-trano isan-karazany, noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana amin’iny faritra iny.

Maty

« Fanomezam-baovao avy amin’ny olona teny an-toerana no nahafahanay tonga aloha teny an-toerana. Voalaza mantsy fa nisy roa lahy mampiahiahy mivezivezy teny an-toerana ary niditra an-tsehatra avy hatrany izahay » hoy ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy. Tsy ela dia tonga teo amin’ny toerana voalaza ny pôlisy avy ao amin’ny USI ary nahita tokoa ireto olona nampiahiahy ireto. Ireto farany kosa, raha vao nahita azy ireo dia namoaka basy ary tsy nisalasala nitifitra, no sady nitsoaka. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia voatery nampiasa basy sy nitifitra ihany koa ireto mpitandro filaminana nanenjika azy roalahy. Raikitra tao anatin’izany ny fifampitifirana sy ny fifanenjehana. Tao anatin’ny fitsoahana nihazo an’iny lalana  eny amin’ny Epp iny no voan’ny balan’ny iray tamin’ireo olon-dratsy ary namoy ny ainy. Tafaporitsaka kosa tetsy andanin’izay ny namany iray, izay mbola hifampitadiavana sy hifampikarohana hatramin’ny omaly hariva, teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici