- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mpanao trano maty, main’ny herinaratra

67ha : Mpanao trano maty, main’ny herinaratra

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona any ho any, no maty tsy tra-drano tetsy 67ha Atsimo, omaly maraina. Araka ny fitantaran’ny olona, dia main’ireo tariby nitondra herinaratra mahery vaika teny an-toerana ity lehilahy ity. Mpandrafitra no asan’izy io ary nanamboatra zavatra tamina trano avo iray lehibe teny an-toerana ity izy tamin’io fotoana io, no niseho ny tsy nampoizina. Tokony ho tamin’ny sivy ora tany ho any no nisy zavatra nipoaka mafy dia mafy niainga avy tamin’ilay trano namboarina,  ary nanaitra ireo mponina teo amin’ny manodidina. Rehefa tonga nijery ny olona dia ilay lehilahy efa nitsirara sy tsy nisy aina intsony teny ambon’ilay trano no hitan’ny rehetra. Nantsoina avy hatrany teo ireo tompon’andraikitra ary samy namonjy ity olona ity avokoa ny rehetra, saingy efa tsy nisy azo natao intsony ny aminy. Raha ny fanazavana azo, dia toa hoe nisy tariby mpitondra herinaratra mahery vaika, somary nandady tamin’ilay trano. Sendra nahakasika an’io ilay mpiasa ary  dia izao may sy namoy ny ainy izao. Tsy vao izao tokoa no nisy tranga toy izany, fa fotoana maromaro izay no nisy mpiasa maty may ny herinaratra mahery vaika ihany koa tetsy Ambodivona. Amin’ny tranga toy itony, dia isan’ny manitikitika ny sain’ny rehetra ny hoe, iza no omen-tsiny : ny tompon’ny trano manao avo loatra ny tranony ka tsy mitotaly ny fisian’ireo tariby mpitondra herinaratra ve sa ilay tompon’ireto farany, izay tsy mieritreritra ny hanisy fanovana eo amin’ny rafitra fanaparitahana herinaratra an-tanàn-dehibe, izay tsy mitovy intsony tamin’ny efapolo taona lasa ?

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici