Manao ezaka lehibe ny avy ao amin’ny polisim-pirenena amin’izao fotoana izao araka ny baiko nomen’ny Tale jeneralin’ny Polisim-pirenena sy ny Talen’ny Filaminam-bahoaka. Hetsika maro no nontotosaina teny amin’ny faritra maro fantatra fa mbola anjakan’ny sinto-mahery, ny haroam-paosy ary ny halatra isan-karazany. Ny zoma faha-28 novambra, niara-nisalahy ny UIR, ny SAG ary ny USI niaraka tamin’ny ekipan’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7 eny amin’ny 67 Ha. Nahitana vokany izany satria nandritra ny tontolo andro ry zareo no teny. Voatety avokoa ny faritra maro : 67 Ha, BAGDAD, COUM, SECAM, Aigle Noire , sy ireo toerana be olona mifamezivezy. Mpanao sinto-mahery 7 mirahalahy no voasambotra ka ny 05 tamin’ireo dia manodidina ny 14 hatramin’ny 17 taona. Izany hoe tsy mbola tsy ampy taona. Manamarika ny polisy fa teo amin’ny fanaovana ny asa ratsiny avokoa izy ireo no traingo. Polisy nanao fanamiana sivily avokoa no nanantateraka ny asa tamin’io andro io. Tamin’ny sabotsy lasa teo no natolotra ny Fampanoavana ry zalahy ireto ary fantatra fa nalefa vonjimaika any am-ponja.
r.s.