- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-Divers67Ha : Mpanendaka anaty taxibe voasambotra

67Ha : Mpanendaka anaty taxibe voasambotra

Lehilahy iray voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito ity tetsy amin’ny toby fiantsonana akaikinina fivarotana solika iray etsy 67ha, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fanazavàna azo dia avy nangaraom-paosin’olona tao anatina taxibe mampitohy an’i 67ha sy Ivato ranamana no nisy nahatsikaritra ka nifanenjehan’ny olona sy ny pôlisy niasa teo amin’ny manodidina. « Rehefa natao ny fanadihadiana dia vola 20.000 ariary no hita tao am-paosiny izay vao azony tamin’ny harom-paosy nataony tao anaty taxi-be ». Fantatra moa fa efa  gadra lava ity tontakely ity ary efa intelo nigadra noho izay asa ratsy izay kanefa dia mbola tsy fay ihany.

Tsy vitsy tokoa ny mitaraina amin’ny afitsok’ireo mpanendaka anaty taxibe. Matetika izy

ireny dia tsy fantatr’endrika ety ivelany. Toy ireny mpandeha rehetra ireny mantsy ireo, miara-miandry taxibe, miara-misisika ary ny sasany ary tena manao akanjo mihaja mihitsy. Rehefa ao anaty fiara anefa izay vao manao ny ataony. Mazàna dia saika efa fantampatatr’ireo resevera sy mpamily ireny olon-dratsy ireny saingy tsy sahy miteny sy milaza amin’ireo mpandeha izy ireo raha tsy mahavita ny asa ratsiny ireo mpanendaka. Ny antony : na izy ireo matahotra fatratra satria  tsy menatry ny manindrona antsy sy mamono ireo olon-dratsy na tsotra ihany, isan’ny namany sy mpiray tendro amin’ireo tontakely ihany koa izy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici