- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67ha : Mpanendaka enin-dahy voasambotry ny pôlisy

67ha : Mpanendaka enin-dahy voasambotry ny pôlisy

Mpanendaka enin-dahy, rain-dahiny amin’ny resaka harom-paosy sy sinto-mahery no voasambotry ny pôlisy avy eo amin’ny boriborintany faha-7, ny alakamisy lasa teo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny teny amin’iny faritra iny ireto olon-dratsy ity. Marihana fa ny telo tamin’ireo dia mbola tsy ampy taona avokoa izay tratra teo am-panendahana olona teny akaikin’ny fiantsonan’ny taxibe, Vatobe. Ny roa tamin’ireto mpanendaka ireto kosa dia voasambotra teny amin’ny manodidina ny tsenan’ny Coum teny, raha teo am-pangaronana paosina olona sendra tratra hariva. Isan’ireo toerana, azo lazaina fa tena mampikolay ny rehetra ireo toerana nahatratrarana ireto mpanendaka ireto. Teo anatrehan’izany indrindra, hoy ny fampitam-baovao, dia nisy ny hetsika nataon’ireo pôlisy ka nahazoana izao vokatra izao. Omaly ihany no natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana ireto enin-dahy, rain-dahiny amin’ny asa ratsy teny an-toerana ireto. Tsy mijanona hatreo ny hetsika, raha ny fanazavàna azo hatrany fa mitohy, entina hamongorana tanteraka ity resaka fanendahana sy harom-paosy ity.

m.L

Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici