Tovolahy iray manodidina ny 18 taona teo ho eo? no tratran’ny olona teo am-panendahana, teny amin’iny faritra 67ha iny? omaly. Finday teny an-tànan-dramatoa nandeha niantsena teny an-toerana, no nalain’ity olon-dratsy ity. Efa leo tanteraka ny amin’ireto tontakely ireto ny olona, ka avy hatrany dia nanenjika an-dranamana raha vao nahare ny antso vonjin’ity ramatoa ity. Tsy ela dia tratra ilay mpanendaka, ary mbola teny an-tànany ihany koa ilay finday vao avy nangalariny. Tsy nisy alaharo alaharo fa nandeha avy hatrany daroka, ny vono sy ompa avy tamin’ireo nahatratra. Ny ain’ity tontakely ity sisa no tsy nanefa tamin’izany. Tarehy nivindana, orona vaky, rà mijininika, … tao anaty ranomaso tanteraka no nifonan’ity tovolahy ity. Fantatra fa navelan’ireo fokonolona nandeha ihany izy rehefa nahazo ny sahaza azy mafy dia mafy.
Fa resaka mpanendaka hatrany, roalahy saika hanao ny asa ratsiny teny amin’iny faritra iny hatrany no voasambotry ny pôlisy teny Namontana, tao anaty taxi, ny alahady lasa teo. Fanaon’ireo mpitandro filaminana ny misava ireo fiara mandeha amin’ny alina eny amin’iny faritra, malaza fa mafana iny. Tamin’ny fisavana ity taxi iray handeha hihazo an’i 67ha iny, no tsikaritr’izy ireo ny naha hafahafa ny fihetsik’ireo mpandeha roalahy tao anatiny. Vantany vao saika hanontany anefa ireo mpitandro filaminana no nivoaka ilay fiara ary nirifatra nitsoaka ry zalahy. Raikitra avy hatrany ny fanenjahana teo amin’ny roa tonta. Tsy ela ihany koa dia voasambotra ireto olon-dratsy. Nahitana antsy lava lela tany amin’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ireto pôlisy no nahafantarana, fa avy eny Tanjombato ireto olon-dratsy ireto, ary saika handeha hanendaka eny 67ha, toy ny mahazatra azy ireo. Omaly no nohenoina teny anivon’ny Fampanoavana ireto olona tratra ireto.
m.L