- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mpanendaka noraisim-potsiny tao anaty lanonana

67ha : Mpanendaka noraisim-potsiny tao anaty lanonana

Avy nanendaka tetsy 67ha dia nitsoaka toy ny mahazatra. Saingy tamin’ity indray mitoraka ity dia mba nihetsika ny olona izay nahita ka nanenjika avy hatrany. Rehefa nahita izany koa ny olona dia mainka narisika ary niampy ny isan’ny nandray andraikitra nanenjika. Ny harivan’ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny dimy ora, no nitrangan’izany. Tena sahy ny olona, ary rehefa hitan’ireo jiolahy fa ho tratra izy ireo dia naleony nitsoraka tao amin’ny lakandranon’Andriantany izay iaraha-mahalala fa feno loto. Ny tao an-tsainy angamba dia ny hoe hitsoaka any anatin’ireny lavaka fandehan’ny rano ireny, toa izay fanaon’ny jiolahy etsy Anosy. Diso kajy tanteraka satria noho ny hainandro amin’izao vanim-potoana lohataona izao dia toa nivadika onaona Andriantany. Sahirana arak’izany ireo jiolahy ny nanohy ny fitsoahana. Niraikitra tao anaty ny fotaka ny tongony. Ny niafarany dia noraisim-potsiny tao. Nandrasana fotsiny ny fivoahan’ny jiolahy tao ary daroka avy hatrany no niandry azy ireo. Samy nanala ny fony teo ny olona talohan’ny nanaterana ireo olon-dratsy teny anivon’ny mpitandro ny filaminana.

 D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici