- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mpanendaka rain-dahiny roa voasambotry ny pôlisy

67ha : Mpanendaka rain-dahiny roa voasambotry ny pôlisy

mpanendaka-copyMalaza loatra amin’ny fanendahana iny faritra 67ha iny. “Manao andiany izy ireo ary efa hain’izy ireo tsara ny misitrika rehefa mandalo ireo pôlisy manao fisafoana”, hoy ny fanazavàna azo amin’ireto tompon’andraikitry ny filaminana eny an-toerana. Na izany na tsy izany aza anefa, dia manao ny ainy tsy ho zavatra ireto mpitandro filaminana ireto hanadiovana ny tanàna. Ny alakamisy lasa teo, tovolahy iray, 18 taona no tra-tehaka raha teo am-pangalaràna findain’olona anaty taxi-be. Ramatoa no lasibatra tamin’io fotoana io, saingy haingam-pihetsika ity vehivavy ity ka voatazona teo ranamana. Roalahy izy ireo raha ny fampitam-baovao azo saingy tafaporitsaka ity namany. Nentina tany amin’ny pôlisy ity mpanendaka ity ary fantatra fa efa rain-dahiny tanteraka amin’ity resaka fanendahana ity. Fa ny omalin’io, teny amin’ny fiantsonan’ny taxibe 119, teo am-pitiliana izay ho hazany ireto mpanendaka maromaro no nandalo ny fiaran’ny pôlisy mpanao fisafoana. Mailo avy hatrany ireo olon-dratsy ka nitsoaka. Nanenjika ireo mpitandro filaminana ka tratra ny iray tamin’izy ireo. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa efa nigadra tamin’ity resaka fanendahana ity io olona io ary mbola nikasa ny hamerina izany indray. Samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana avokoa izy roalahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici