Dia efa tsy misy tahotra intsony ireo tontakely amin’izao. Ny alatsinainy lasa teo, lehilahy iray, izay tra-tehaky ny pôlisy avy etsy amin’ny boriborintany fahafito, teny amin’iny faritra 67ha iny, teo am-panendahana ramatoa iray no mbola saika hanao ny asa ratsiny fanindroany indray. Ny saika lasibatra teo, dia ilay polisy nahatratra azy ihany. Soa fa mailo ity farany ary nentina norohizana avy hatrany tany amin’ny birao ralehilahy mba hanaovana famotorana. Fa ankoatr’izay, dia tovolahy iray izay mbola tsy ampy taona akory ihany koa no voasambotra teo am-panaovana sinto-mahery teny amin’iny faritra parking 67ha iny, tamin’io andro io ihany. Vehivavy miandry taxibe indray no saika lasibatra tamin’io fotoana io.
Fa mitohy hatrany moa ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena amin’ny famongorana ireto tontakely ireto eto an-dRenivohitra. Samy manao ny ainy tsy ho zavatra avokoa ireo kaomisaria rehetra eto an-dRenivohitra. Teny amin’iny faritra Anjanahary iny dia mpanendaka roa lahy no tra-tehaky ny pôlisin’ny kaomisarin’ny boriborintany fahatelo. Izy ireto dia manararaotra manao ny asa ratsiny ao anaty fitohanan’ny fiara eny an-toerana. Saika finday avokoa moa no ataon’izy ireo lasibatra amin’izany. Fantatra, fa eny Analakely no amidiny ireo finday halatra azony ary efa misy olona mpandray azy eny. Tsy niandry ela tamin’ny fanadihadiana moa ireo mpitandro filaminana, fa avy hatrany ihany koa dia nisambotra ity mpandray halatra ity. Teny amin’iny faritra Anosibe akaikin’ny « rond point» iny indray dia lehilahy roa, 20 taona ary 17 taona no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, rehefa nampiseho fihetsika mampiahiahy, ny alahady lasa teo. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavana ireo pôlisy ka mbola nahatrarana basy kilalao iray tany amin’izy ireo, izay fentin’izy ireo mampitahotra ireo olona lasibatra. Fa tamin’ny fisafoana ireo elakelan-trano amin’ny alina ihany koa no nahasamborana mpanendaka iray izay tratra niaraka tamin’ny sabatra, mbola teo am-piandrasana izay mety ho hazany. Ankoatr’izay dia vehivavy iray mpangarom-paosy no voasambotr’ireo pôlisy ireo, tetsy Ankadimbahoaka tamin’io fotoana io ihany.
m.L