Niezaka ny nanohitra ireto polisy nanao fanamiana sivily ireo andiana mpanendaka nirongo fiadiana avy nanao ny asa ratsiny. Hany ka tsy maintsy namaly ireo mpitandro filaminana. Mpanendaka iray no naratra voatifitra. Efa malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana tokoa, raha iny faritra 67ha sy ny manodidina iny. Efa tsy vitsy ireo nitondra faisana manoloana ny asa ratsy ataon’ireo mpanendaka ; izay tsy misy tahotra sy henatra intsony ary tsy mifidy ora fa na maraina na antoandro na hariva fa indrindra ny alina. Manoloana izay indrindra no nanaovan’ireo polisy avy eo anivon’ny sampana miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika na ny SAG hetsika manokana efa ho andro maromaro izay, hoy ny fampitam-bavao azo. Omaly ary, tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany no nisy olona roa niharan’ny fanendahana teny an-toerana. Olon-dratsy maromaro niaraka tamin’ny antsy lava lela no nanao angaredona tamin’ireto olona ireto. Soa ihany anefa fa nifanojo tsara tamin’ny fisafoana nataon’ireo polisy nanao hetsika izany, ka tsy nisalasala ireto farany nandray andraikitra tamin’ny famonjena. Marihana, fa tsy nanao fanamiana ireto farany tamin’izany. Noheverin’ireo jiolahy fa olon-tsotra niditra amin’ny tsy tokony hidirany angamba ka avy ry zalahy dia nanohitra sy nandrangaranga ny antsy teny an-tànany. Tena vonon-kamono tamin’ireo fitaovam-piadiana teny aminy ireto olon-dratsy ka voatery nampiasa ny azy niarovan-tena ihany koa ny polisy. Voatifitry ny bala ny iray vao tonga saina ny namany hitsoaka, fa efa tsy vazivazy intsony ny raharaha. Tafaporitsaka araka izany ireto farany, raha noraisim-potsiny kosa ilay voatifitra. Nentina namonjy tobim-pitsaboana moa io naratra io, ary natao tsara ambina. Voalaza kosa, fa lasan’ireo namany nitsoaka ny poketran’ireo olona roa voaendaka. Ireto farany moa dia nametraka fitoriana avy hatrany. Mitohy arak’izany ny fikarohana ireto roa lahy tafatsoaka ireto.
m.L