- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-Divers67Ha : Mpangalatra moto sady mpanendaka voasambotry ny polisy

67Ha : Mpangalatra moto sady mpanendaka voasambotry ny polisy

Lehilahy telo no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7 eny 67 Ha, tompon’antoka amin’ny halatra moto sy asa fanendahana. « Noho ny firongatry ny asa fanendahana eny amin’iny faritra 67 Ha iny dia nanao hetsika amin’ny ady atao amin’izany ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany faha-7, ny talata teo, ka polisy manao fanamiana sivily no nanantanteraka izany », hoy ny fanazavana avy amin’ny polisim-pirenena. Lehilahy anankiroa, 29 taona sy 18 taona, no voasambotra io andro io teo am-panaovana ny asa ratsiny teny 67Ha Avaratra Atsinanana tokony tamin’ny 11 ora antoandro. Voalaza fa ireto mpanendaka ireto dia manaraka ireo fiara tratran’ny fitohanana ka manararaotra manendaka sy maka ny findain’olona. Polisy nanao fisafoana no nahatsikaritra izany ka dia niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany.  « Teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireto no tratehaky ny polisy, saingy tsy nahatrarana inona teny amin’izy ireo », hoy ny fanavazana ihany. Lehilahy iray antsoina hoe Rasta, 20 taona, koa no voasambotry ny polisy noho ny resaka halatra moto “scooter” iray teny Antohomadinika ny andron’io ihany tokony tamin’ny 1ora antoandro. Tamin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa very ny alahady teo teny 67Ha ity moto ity, ka ny talata teo vao hita izy io. Nipetraka teo akaikina tsena ity moto ity no nangalarin’i Rasta ka nentiny nitsoaka teny Antohomadinika. Tamin’ny fanadihadiana azy dia niaiky ny heloka vitany izy. Nilaza izy fa novelominy tamin’ny fanalahidy teny aminy ity moto ity dia izao nangalariny izao. Efa natolotra ny fampanoavana izy ireo ary notanana vonjimaika. Mbola mitohy hatrany ny ady ataon’ny polisy amin’ny asa fanendahana, izay mirongatra be amin’ny faritra maro. Mitaraina ny olona eny amin’ny fiandrasana taxi-be, indrindra ny hariva. Ny sinto-mahery anaty fiaran’olon-tsotra na anaty taxi-be ihany koa. Toy izany koa ny halatra moto izay efa ho isan’andro ihany koa. Mandry tsy lavo loha ny olona ka mila ny asan’ny polisy hamafisina tanteraka.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici