- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mpangarom-paosy sendran’ny pôlisy tsy nanao fanamiana

67ha : Mpangarom-paosy sendran’ny pôlisy tsy nanao fanamiana

Faritra voasokajy ho mafana amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana raha ny eny 67ha sy ny manodidina iny. Eny amin’ireo fiandrasana taxibe sy ny tsena no tena tokontany filalaovan’ireo mpangarom-paosy sy mpanendaka. Sendra ny nahay azy anefa ity mpangarom-paosy efa ela ny nampitondra faisana ireo mponina teny an-toerana ity fa teo imasona pôlisy tsy nanao fanamaniana izy no nanao ny asa ratsiny. Noraisim-potsiny araka izany ranamana raha iny izy mbola somokotra nanataka kitapon’olona iny, ny alahady teo. Rehefa nentina nofotorina dia fantatra fa efa gadralava amin’ity resaka harom-paosy sy fanendahana ity ingahirainy ary eny amin’iny faritra Isotry sy ny manodidina iny no tena famelezany. « Mimamomamo kely alohan’ny hangaronany paosin’olona dia avy eo mitakisinkisina amin’olona no sady mangarom-paosy. Rehefa tratra izy dia mody hoe olona mamo » hoy ny vaovao. Efa natolotra ny fampanoavana moa ity tontakely ary nampidirina am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici