Nisehoana fanendahana efa voaomana teny amin’iny faritra 67ha iny, ny talata lasa teo. Karazan’irony mpibizina finday irony no notafihana bandy dimy lahy tao anaty elakelan-trano. Mpivarotra karazana finday avo lenta anaty aterineto ity tovolahy ity, raha ny vaovao voaray hatrany. Nisy nilaza fa hividy ity finday mitentina an-tapitrisany, ary teny 67ha no fotoana. Voalaza hatrany fa nony tonga teny an-toerana ity tovolahy mpivarotra dia nilaza ilay mpividy fa tsy afaka miala any amin’ny toerana nisy azy. Olon-kafa, araka izany, no nirahiny ho eny sy hitondra ity mpivarotra ho any aminy. Teny an-dalana anefa, nentin’ity olona nirahina niditra elakelan-trano ity tovolahy ary tamin’izany no efa niandry azy tao ny jiolahy dimy. Fantatra tamin’izany fa lasan’ireo olon-dratsy ilay finday saika hamidy, niampy kojakoja isan-karazany tany amin’ity mpibizina finday ity. Nitsoaka avy eo ireo jiolahy rehefa avy namita ny asa ratsiny. Amin’izao fotoana izao tokoa, efa saika mampiasa ny aterineto avokoa ny olona. Lasa toeram-pivarotana ihany koa io sehatra io ankehitriny. Tsy vao izao anefa no nisy tranga toy izany fa efa maro ireo mitaraina ho voan’ny tampoka sy very zavatra sarobidy, noho ny afitsok’ireo olon-dratsy.
m.L