Efa miparitaka eto amintsika amin’izao irony karazana zavamahadomelina maherivaika irony, toy ny “heroine” sy ny “cocaine”. Porofon’izany ny fahatratrarana ireto olona enina mianadahy, izay voasasambotry ny pôlisin’ny Sut, tetsy 67ha. Miandahy miambavy mihitsy araka izany ireto olona ireto manaparitaka ity karazana zava-mahadomelina maherivaika ity. Raha ny fampitam-baovao azo dia ny sabotsy lasa teo izy ireo no tra-tehaky ny mpitandro filaminana, rehefa nahare tsilian-tsofiny ny amin’ny fisiana olona mivarotra “cocaine” eny an-toerana. Mpivady izy ireo, raha ny vaovao hatrany. Nidina avy hatrany teny ifotony ny pôlisy, ary mbola nahatratra ireto mpivarotra rongony mahery ireto. Mbola nahatratra fonosana “vovoka fotsy” 80 grama tao an-tranon’ireto mpivady ireto. Tra-tehaka niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny tanora vao erotrerony niisa efatra, izay efa mandray sy mihininana ity karazana rongony ity. Ireto mpivady ireto, raha ny vaovao hatrany, no isan’ny atidoha mpanaparitaka ity rongony ity eny an-toerana, ary amin’ny sarany efatra alina sy iray hetsy ariary no hamarotan’izy ireo ny iray grama amin’izany “cocaine” sy heroine izany. Omaly ihany moa ireto olona ireto no natolotra ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika.
m.L