- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Mpifankatia mpanendaka voasambotry ny polisy

67ha : Mpifankatia mpanendaka voasambotry ny polisy

Mahay miara-miasa … amin’ny ratsy ! Lehilahy iray ary vehivavy iray, izay marihana fa mpifankatia, no voasambotry ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, teny amin’iny faritra Ankasina iny, noho ny resaka fanendahana. « Mpiara-manao asa ratsy izy ireo ary isan’ireo mpanendaka efa tsikaritry ny olona eny amin’ny faritra Ankasina sy ny manodidina eny », hoy ny tatitra azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Ny zava-nisy : ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any dia nisy lehilahy roa voalaza fa nisy nanendaka teny Ankasina, akaikin’ny « lavage ». Very tamin’izany ny vola roa hetsy ariary. Tonga nametraka fitairanana teny anivon’ny polisy ireto farany. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo mpitandro filaminana ary niroso tamin’ny fikarohana ireto olon-dratsy.  « Loharanom-baovao teny amin’ny manodidina no nahafatarana fa mipetraka eny amin’iny faritra iny ihany ireo olon-dratsy ireo; koa ireo olona teny amin’ny manodidina ihany no nanoro ny toerana sy ny trano ipetrahan’ireo jiolahy », hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Ny tolakandron’ny sabotsy no notongavana tao an-tranony ireo voalaza fa olon-dratsy. Lehilahy sy vehivavy no tratra tao ary nentina natao famotorana avy hatrany. « Samy niaiky ny heloka vitany ireto mpifankatia ireto ». Ny alatsinainy lasa teo izy ireo natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary fantatra fa nadoboka am-ponja vonjimaika teny Antanimora ilay lehilahy raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay vehivavy, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici