Voasambotry ny polisy teny 67Ha ny olona 11 mianadahy, sivy lahy sy roa vavy,voampanga ho nandray sy nivarotra rongony. Tsy lavitra ny kianja filalaovam-baolina izy ireo, izay voalaza fa tsy mpilalao baolina kitra akory izy ireto fa mpivarotra sy mpifoka rongony eny amin’ny faritra 67ha sy ny manodidina.
« Samy mahafantatra isika rehetra fa mampirisika azy ireo hanao herisetra eny anivon’ny fiaraha-monina ny fifohana izany , anisan’izany ny fanolanana lazain’ny fitaovan-tserasera isan-karazany. Ankoatra izay dia hita taratra fa ny ankabeazan’ny olon-dratsy, mpanendaka sy mpamaky trano tratran’ny polisy dia mpidoroka zava- mahadomelina avokoa », hoy ny fanazavana avy amin’ny polisim-pirenena. Mitohy ny ady amin’ny fiparitahan’ny rongony. Tsy mbola misy ny fahalalahana mivarotra sy mandray azy io, fa tsy araka ny vaovao aparitaky ny sasany momba izany. Manentana ny rehetra hatrany ny mpitandro filaminana mba hitoroka raha misy ny olona hita fa mivarota sy mandray rongony, fa enjehin’ny lalàna izany ary mety mampiditra am-ponja ihany koa.
Yv Sam