- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Nadoboka eny Antanimora ilay ramatoa saika hamono ny zanany tao...

67ha : Nadoboka eny Antanimora ilay ramatoa saika hamono ny zanany tao Andriantany

« Noho ny disadisa sy ny tsy firaharahian’ilay rain’ilay zaza no antony saika hamonoany io zaza io ». Io no fantatra fa nolazain’ilay renim-pianakaviana iray, tratra saika hamono ny zanany tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany, tetsy 67ha, ny alatsinainy lasa teo, nandritra ny fanadihadiana azy, araka ny tatitra azo avy amin’ny polisy. Ny alarobia teo izy no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, taorian’ny famotorana azy. Nadoboka am-ponja avy hatrany, teny Antanimora moa ity renim-pianakaviana ity, miandry ny fotoam-pitsaràna azy. Marihana fa fikasàna hamono olona (zaza) no vesatra anenjehana io ramatoa io. Ilay zaza tsy manan-tsiny kosa, izay marihana vao zazalahy vao herintaona sy tapany monja dia nankinina teny amin’ny toby fitaizana zaza kamboty eny Ambohidratrimo. Raha tsiahivina ny zava-nisy, natsipin’ity ramatoa iray tsy tam-pisalasalana tao anatin’ny lakan-dranon’Andriantany ny zazakely iray teny an-trotrony. Nanaitra ny olona avy hatrany ny fihetsiny. Nandeha ny antsoantso sy horakoraka. Lehilahy iray no avy hatrany dia nitsoraka tao anaty rano niezaka nanavotra ilay zaza. Ilay ramatoa kosa nosamborin’ny fokonolona ary voalaza fa « efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ». Nisy polisy tsy lavitra teo, ary io no niezaka nandamina ireo fokonolona sy nitondra avy hatrany ilay ramatoa tany amin’ny biraon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.  « Nandritra ny famotorana natao azy no nahafantarana fa zanany ilay zaza natsipiny teny amin’ny lakandranon’Andriatany », hoy hatrany ny tatitra azo. Ambonin’ilay hoe fisian’ny disadisa teo aminy sy ny rain’ilay zaza, izay antony saika hamonoany ity menaky ny ainy dia nambarany ihany koa fa hoe « ny fahasarotan’ny fiainana ka tsy ho vitany ny hamelona ny zaza ».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici