- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 12, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67Ha : Nipoaka ny basy, voaroba ny épicerie

67Ha : Nipoaka ny basy, voaroba ny épicerie

Efa nadivadiva ny hanidy tsena ny mpivarotra enta-madinika iray no tonga tampoka ny mpanjifa tsy nampoizina. Tsy nanjifa entana akory fa kosa ny vola izay maty no nojifain’izy ireo. Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva, ny alatsinainy teo, no tonga ny efa-dahy nirongo basy. Niditra tao amin’ilay toeram-pivarotana ary nanambana basy ny mpivarotra izay hany tokana tao amin’ilay toerana. Nazava ny tanjon’izy ireo ary tsy namaly ny mpivarotra mba ho fiarovana ny ainy. Na izany aza anefa dia mbola niharan’ny herisetra hatrany izy, satria mbola nakapok’ireo olon-dratsy teo amin’ny latabatra ny lohany. Izany hoe mba handemena tanteraka ny sainy. Naratra kely io olona io vokatr’izany. Vita izay dia noterena ny nanome ny vola rehetra tao anatin’ny fitoerany. Manodidina ny iray tapitrisa ariary no lasa tao anatin’ity fanafihana ity, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Taorian’izay dia nivoaka ny jiolahy ary nanapoaka basy indray. Ny anton’izany dia mba hanaparitahana ny olona ka tsy hanakana ny lalany. Nizotra tany anaty elakelan-tranon’ny kartien’ny B26 tany izy ireo, nanakana ny lakan-drano. Raha araka ny fanamarinan’ny mpitandro ny filaminana dia basy vita gasy no nampiasaina. Ny endrika nomen’ilay mpivarotra voatafika no nahafahana namantatra an’izany. Ny bala kosa dia tena izy. Omaly dia nahoraka fa cashpoint no voatafika teny an-toerana. Rehefa tena nozohina anefa dia mpivarotra enta-madinika izy ity ary tsy omaly fa afak’omaly. Isan’ny toerana betsaka olona mifamezivezy Ankasina ary matetika koa no hiverenan’ny jiolahy, satria betsaka mpivarotra ary misy vola mivezivezy araka izany. Efa betsaka ny voatifitra teo fa mbola misy sahy ny mamerin-keloka hatrany. Efa mizotra any amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny polisy misahana ny boriborintany ankehitriny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici