Tsy manaiky hatramin’ny farany ny hanesorana azy ireo eo amin’ny tany efa nohajariany nandritra ny 51 taona izy ireo. Tany manodidina ny telo hektara any ho any, manamorona iny lalana mihazo an’Ambodin’Isotry iny, voalaza fa lasan’olon-tokana, mpandraharaha monina eo an-toerana ihany. Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany maraina tany ho any, andian’olona an’arivony tany ho any no nidina an-dalambe, ary nanentsina iny sampanan-dalana mihazo an’Ambodin’Isotry iny, ampitan’ny Fop iny. Nilanja soram-baventy, nampaneno kiririoka, nitsoka anjombona ary nanapoaka sarom-bilany sy nihikiaka. Nisy sasany tamin’izy ireo no avy hatrany dia nibata vato ary nanakana ny arabe. Maro tamin’ireo fiara sy môtô teny an-toerana, handeha hihazo an’Isotry na ireo hivoaka ho any 67ha sy Antohomadinika iny no somary sahirana. Ny feo heno hatrany hatrany dia ny hoe « Tsy manaiky izahay ». Raha ny angom-baovao azonay teny an-toerana dia voalaza fa misy olona iray milaza fa manana taratasy sy nandresy teny anivon’ny tribonaly ary nahazo io tany io. Tany izay marihana fa efa nanorenan’ny olona trano, manodidina ny 500 tafo eo ary misy mponina any ho any amin’ny 3000 isa any ho any. Io olona raha ny fantatra hatrany dia efa niady ara-pitsaràna tamin’ireo vahoaka foana hatramin’izay, nanomboka ny taona 1986. Niarakana sy nidinana teny amin’ny tribonaly. Tao anatin’izany, nisy ny didy nivoaka nandresen’ny ankilany, noravain’ny andaniny, nahazoan’ireo vahoaka rariny tamin’ny 2017 indray ary nivadika nandresen’ilay mpandraharaha ny zoma teo. « Olona iray miady amin’ny vahoaka aman’arivony ». Manahy zavatra tsy mazava sy resaka kolikoly araka izany ireto mponina ireo ary hanaovan’izy ireo antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa fa indrindra ny Filoham-pirenena. Teny an-toerana ihany moa izahay dia niezaka nanatona ny trano misy io mpandraharaha voatonotonona io, hihenoana ny heviny mahakasika ity raharaha ity. Saingy vao teo am-bavahady dia nosakanan’ireo mpiambina ary nolazain’izy ireo fa tsy ao an-toerana ny « patron »n’izy ireo.
m.L