- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Nosamborina ny mpamily ny fiara Touareg

67ha : Nosamborina ny mpamily ny fiara Touareg

Nidina teny an-toerana ny zandary avy etsy Betongolo ary nosamborina ny mpamily ny fiara Touareg iray. Omaly hariva no niseho izany tetsy 67ha mifanandrify amin’Ankasina. Voalaza fa fiara mampiahiahy izy io ary nahiana ho nitondra fitaovam-piadiana maro ilay fiara. Nosavaina ny fiara ary nokarohina ny tompony izay hita ihany. Nentina avy hatrany teny Betongolo ilay olona taorian’izay. Nanaiky ny zandary fa nisy tokoa ny hetsika natao ary nisy ny fisamborana. Notazomin’izy ireo kosa ho tsiambaratelon’ny fanadihadiana ny mety ho anton’izany. Na izany aza, ny teo an-toerana dia nitangorona ny olona ary nilaza fa nahiana ho nitatitra fitaovam-piadiana ilay fiara. Mbola tsy tena fantatra arak’izany ny manodidina ity raharaha ity na dia mandeha aza ny tsilian-tsofina fa mety ho misy hidiran’ny raharaha fikasàna hitoraka “cocktail molotov” tetsy amin’ny Hcc aza ny zava-misy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici