Misotrosotro eo ambonin’ny taingin-droa aloha sady miresandresaka. Rehefa miakatra ny alikaola dia raikitra amin’izay ny fifanenjehana. Tetsy Andohatapenaka eo amin’ny làlana mikodàna mivoaka any amin’ny digue no niseho izany. Tamin’ity indray mitoraka ity efa-dahy no tsy afa-niala intsony rehefa voatsikaritry ny polisy ny ditran’izy ireo dia ny fahamamoana eo am-pitondràna. Tsy vitan’izany aza fa mbola mifaninana mifanenjika koa. Ho fiarovana ny ain’izy ireo, raha araka ny fanazavan’ny polisy eo anivon’ny komisaria miandraikitra ny boriborin-tany fahafito no tena anton’ny fisamborana. Maro loatra ny olona matin’ny fampiasàna moto ary ny ankamaroan’izy ireo dia noho ny fisetrasetrana. Notànana tany amin’ny biraon’ny polisy izy efa-dahy izay voakasik’ity raharaha fitondràna moto mamo ity ary koa mifanenjika. Etsy andanin’izany, mbola mitohy amin’ireo tsy manara-dalàna amin’ny fampiasana kodiaran-droa, toa ny manao taingin-telo, ny tsy fampiasàna ny aroloha amin’ny tokony ho izy na koa tsy manao izany mihitsy ny hetsiky ny polisy. Izany rehetra izany dia mba ho fisorohana ny ain’ireo satria be loatra ny naratra sy namoy ny ainy.
D.R