Tsy lany atao ! Angamba somary manahirankirana indray ny mitady rongony, teo anatrehan’ireo fisamborana marobe nataon’ny mpitandro filaminana, dia miova lasy hafa indray ry mpidoroka isany. Teny amin’iny faritra 67ha iny tokoa mantsy dia olona enina indray no saron’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina, ny alarobia lasa teo. Tra-tehaka teo am-pitsindronana ranom-panafody mahadomelina azo avy amin’ny « rivotril » (fanafody fitsaboana olona marary saina) izy ireo araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisim-pirenena.
« Vaovao avy amin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana, fa amin’io toerana antsoina hoe FTA io ; izay toerana tsy misy mpandalo sy mangina no fanaovan’izy ireo ny fitsindronana zava-mahadomelina. Nanao fitsirihana avy hatrany ny Polisy ka tra-tehaka tamin’izany ireto tovolahy dimy sy ramatoa iray tamin’io toerana io, ary mbola teny aminy ny « seringue » dimy, sotrokely dimy sy « plaquette rivotril » iray tsy nahitana fanafody intsony » hoy ny fanazavana azo. Ilay ramatoa no karamain’ireo tovolahy hantsaka rano amin’ny tavoahangy, hanafangaroana ilay fanafody, raha ny fantatra hatrany. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana, fa efa « mpitsindrona io karazana fanafody io mihitsy ry zalahy ireo ». Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo, raha ny vaovao azo hatrany.
m.L