Ny trano nihidy soa aman-tsara ary voatery nopitsohina aza, raha araka ny fanazavan’ny mpitandro ny filaminana; vao voasokatra ny varavarana dia Rangahy lehibe natory teo ambonin’ny fandrinany, 70 taona, no hita tao anatiny. Omaly izany no niseho teny 67ha avaratra. Ny olona teny an-toerana no nanazava fa mipetra-drery io rangahy io. Ny zanany kosa dia ao amin’ilay trano ihany no monina, fa any amin’ny rihana ambony. Ny voalohan’ny taona teo no tonga tao aminy namangy azy ny taranany. Mbola salama tsara ilay rangahy ary niara-nifaly teo ny fianakaviana. Omaly tontolo kosa anefa dia nisy nahatsikaritra fa tsy nivoha mihitsy ny tranony. Tsy mahazatra azy ny mihidy irery tao. Teo indrindra no nitsiry ny ahiahy sao mba nisy nanjo an’ilay rangahy tao anatiny tao. Rehefa nopitsohina dia efa vatana mangatsiaka ary efa mangana no novantanina tao. Nisy vola an-tapitrisany very tao, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana hatrany. Vokatr’izay dia ahiana ho mety novonoina ity rangahy lehibe ity. Noraisin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava ny fanadihadiana ity raharaha ity.
D.R