- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers67Ha : Ravan’ny polisy ny tambazotra mpangalatra moto

67Ha : Ravan’ny polisy ny tambazotra mpangalatra moto

Ravan’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-7 67Ha ny tambazotrana mpangalatra moto. Olona enina amin’izao fotoana izao no tratra. Efa fotoana elaela no naharay fitarainana ny mpitandro filaminana eny an-toerana, mikasika fahaverezana moto matetika. Tamin’ny alatsinainy 7 novambra teo, naharay antso ry zareo tokony tamin’ny 4 ora mariana, fa nisy moto roa very tao an-trano teny akaikin’ny Parking. Tsy niandry ela ireo polisy fa avy hatrany dia nanao fisafoana sy nametraka sakana teny amin’ny sakeli-dalana sy elanelantrano. Tokony ho tamin’ny 6 ora maraina, nisy lehilahy roa nanosika moto teny amin’ny toerana antsoina heo Voridamba. Raha nahita ireo mpitandro filaminana ny iray dia lasa nandositra. Noraisim-potsiny kosa ny faharoa. Rehefa nohadihadiana izy dia nilaza, fa izany Rasta izany no nangalatra io moto io, fa izy kosa nividy. Misy ihany koa ny mpanelanelana, ka nanondro olona iray antsoina hoe Sitraka ilay tratra. Natao ny fisamborana azy ireo. Ankoatra an-dry zalahy, dia nisy telo hafa koa nosamborina. Araka izany dia efa tena tambazotra matanjaka mihitsy io ravan’ny polisy io. Misy olona mitady moto dia manatona mpanelanelana, avy eo io manatona ny mpangalatra ilay voalaza fa Rasta. Taorian’ny famotorana azy rehetra ireo no nahalalana fa, tsy amidy eto an-drenivohitra ireo moto halatra fa alefa any amin’ny faritany ary efa misy mandray any. Ny vaovao hatrany no nahalalana, fa efa nigadra ny roa tamin’izy ireo, dia ilay mpanera sy ilay mpividy. 33 taona ny lehibe indrindra ary 20 taona ny zandriny amin’ireto mpangalatra ireto. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy enina ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser